- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversTaolagnaro : “Boîte de nuit”, fifohana jamala, fisotroan-toaka no fialambolin’ny tanora

Taolagnaro : “Boîte de nuit”, fifohana jamala, fisotroan-toaka no fialambolin’ny tanora

Mampanahy be ihany ny mety hoavin’ny tanora any amin’iny renivohitr’Anosy iny. Noho ny tsy fahampian’ny fialamboly mba tsy hilazana hoe tsy misy dia ny fankanesana any amin’ny toeram-pandihizana no mahadodona sy lasa lamaodin’ ireo tanora. Tsy misy fotoana itsaharana fa saika isaky ny takariva. Manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny alahady manaraka azy io. Ary ny tena miavaka dia “ny zoma mahafinaritra”. Raha efa zokinjokiny sy efa nahazohazo taona no mpiangaly ny famonjena “boîte de nuit”teo aloha, tsy anavahana sokajin-taona izany amin’izao fotoana. Manodidina ny 11 hatramin’ny 18 taona izy ireo ary saika tovovavy avokoa  ary mbola mpianatra avy amin’ireo kôlejy sy lisea ny ampahany betsaka amin’izy ireny. Tsy vitan’ny hoe mamonjy toeram-pialanonana fa mbola manaraka eny ny fisotroana zavam-pisotro misy alikaola  sy ny fifohana rongony. Any amin’ireo toeram-pandihizana no mifamotoana ireo kilonga lahy sy vavy. Raha sendra mba mivahiny any amin’ity renivohitra iray ity ianao   ho gaga sy talanjona manoloana ny fisehoan-javatra any an-toerana. Isan-kariva mantsy , tovovavy vao herotrerony no miparady eny an-dalambe.Tonga amin’ny fitenenana hoe: mitady “kil”. Tamin’ny resadresaka nifanaovana tamin’ireo tanora ireo no nahafantarana fa vokatry ny tsy fankanesana any am-pianarana sy ny tsy fanana asa ary ny fitadiavana izay hanin-kohanina sy izay mba hitafiana no anisan’ny antony mahatonga azy ireo hanao ity asa iray ity.

 Rom Farady

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser