- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTaolagnaro : “Couvre feu” manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatralin’ny 4...

Taolagnaro : “Couvre feu” manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatralin’ny 4 ora maraina

Taorian’ny namonohan’ny sasany raim-pianakaviana iray dia nivoaka ny didy tsy ahafahana mivezivezy amin’ny alina any Taolagnaro. Manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina izany « couvre feu » izany. Toy ny namono akoho no nanaovan’ireo olon-dratsy ny raim-pianankaviana iray.Tapaka ny tendany, feno ratra ny lamosiny sy ny kibony,very avokoa ny zavatra teny aminy. Io no nahazo ny lehilahy iray sahabo ho eo amin’ny 38 taona eo.  Raha handeha hamonjy fodiana rehefa avy niasa izy ny no tratran’ny tsy nampoizina. Ny alin’ny alatsinainy tany amin’ny 8 ora alina no nisehoan’izany, araka ny filazan’ny manodidina, kanefa tany amin’ny 11ora alina vao nisy nahita ny nofo mangatsiaka ny nivalandotra teo amoron’ny arabe. Tsy fantatra marina izay tena antony. Ny azo ambara dia mpiasan’ny orinasa SICAM any Faradofay ilay raim-pianankaviana izao namoy ny ainy izao.  Tsy mbola hita ny nahavanon-doza.  Any amin’iny renivohitra Anôsy iny dia zary fomba fanaon’ireo andian’olona ratsy loha ny manala ny ain’olona toy ny mamono akoho. Raha ampahatsiahivina dia efa intelo nisesy no nisehoana famonoana olona nahatsiravina toy izao teo amin’ny lalana miala ao amin’ny Bara”Samy-Mahery”Esokaka, mandalo ny lalambaton’Andakoroa, ka hatreny amin’ny hôtely Ravinala, toerana nitrangan’ny vonoan’olona.  Fa tamin’io alin’ny alatsinainy io ihany, sahabo ho tany amin’ny 11ora alina, tao amin’ny kartie Tanambao, mbola any Faradofay renivohitra, mpiandry tanàna na “gardien” iray no nisy nanafika tao amin’ny toeram-pivarotana iray nambenany. Voalaza fa raha variana nanao ny asany iny indrindra izy no avy hatrany nanaovan’ireo jiolahy be midina mitam-piadiana mahery vaika. Raikitra ny fifandonana tamin’ny alalan’ny tomboka lefona. Nijininika ny ra. Nentina avy hatrany tao amin’ny C H R R (Hôpitaly Philibert Tsiranana) Amboanato. Tsy misy atahorana any ainy na maro aza ny rà niala taminy.Tsy mbola milamina ny  an-tampotananan’i  Faradofay vokatry ny hetraketrak’ireo jiolahy.   Tsy ao Faradofay ihany no mbola mahazo laka ny tsy fandriam-pahalemana fa mipaka hatrany Amboasary Atsimo. Ny zoma alina teo dia notafihin’olona ny “Restaurant-Discovery”. Raikitra ny fifandonana, nipoapoaka ny basy tamin’ny andaniny tompon’ny “Resturant” lehibe iray ity sy ireo olon-dratsy, resy tsy naharesy tosika, avy hatrany nanao tari-dositra.  Mbola tany Berenty any Amboasary Atsimo ihany, dia teratany Japoney mpanao fikarohana no notofirin’ireo jiolahy. Naratra mafy ilay vahiny. Rehefa natao ny fikarohana dia tratra ihany izy efa-dahy nahavanon-doza ary natolotra ny fitsarana any an-toerana. Raha ampahatsiahivina dia ny efatra janoary teo no nisehoan’izany.

Rom Farady

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser