Tsindrona antsy maranitra teo amin’ny fony, no namoizan’ny raim-pianakaviana ny ainy, ny alarobia hariva sahabo teo amin’ny 7ora, tao amin’ny fokontany Ambinanikely.Tovolahy kely 14 taona teo no nahavanona ity vono olona ity. .Resaka “carte” fampidirana hira irony no nahatonga ny olana teo amin’izy mianaka ireto. Mpiray tanàna fa tsy misy rohim-pihavanana. Ilay rangahy tsy namerina ilay “carte usb” tsy an’iza fa an’ilay kely ihany.Tezitra noho izany ity farany ,ka lasa niverina tany an-tranony. Hay naka antsy maranitra ny anao lahy. Tsy nisy nanam-po. Nanao tampody fohy avy eo .Tsatoka antsy no nitsena an’ilay rangahy teo amin’ny fony. Nijininika ny lio. Maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana. Nandositra ilay kely avy eo ary tsy mbola hita ny nanjavonany sy ny toerana nisitrihany. Marihina fa ilay rangahy irery no tao an-trano. Izany ka tena fahasahian-jaza. Efa lasa biby toetra ny olona .Samy gaga ny manodidina. Vokatry ny fitaizana tsy amin’ny lalany ataon’ny ray aman-dreny no anton’izao. Mandeha ny fanadihadiana.
Rfa.