Mbola mitohy hatramin’izao ny fahazaran-dratsin’ireo olona na andian’olona te hanondrana an-tsokotsoko fananam-pirenena. Olona manana ny maha izy azy ao Fort Dauphin no voalaza fa mpiketrika ity fanondranana harem-pirenena iray ity. Ao Maroroy Manantenina ao amin’ny distrikin’ny Taolagnaro. Raha variana nilanona sy nifety nandritra ny fetin’ny paska ireo mpitandron’ny filaminana no saika hanararaotra hanondrana ny hazo ireo milaza ho tompon’ny entana. Fanomezam-baovao avy tamin’ny mponina any Maroroy toerana saika hanondranana ny entana no nampandre haingana ny tao amin’ny fiadidian’ny faritra. Nalefa avy hatrany tany an-toerana ireo mpitandron’ny filaminana.Efa nanamorona ny morotsiraka, faritra hanondranana ireo bolabola ny sambo. Akory ny hagagana fa tampoka teo nitsoka nandositra ilay sambo. Tsy tanteraka tamin’io fotoana io ny fanondranana sao tratra am-bodiomby. Heno fa mbola mikiry ny tsy maintsy handefasana ny bois de rose ny tompony. Etsy an-kilany manao andri-maso akaiky ity sehon-javatra ity ny mpitandron’ny filaminana any an-toerana. Tsy andrenesam-peo kosa ny ao amin’ny fiadidiany sampandraharaha miadidy ny tontolo iainana sy ny ala ary ny ekolozia any Anosy.
RFa