dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversTaolagnaro : Niverina indray ny fanondranana sy ny afera “bois...

Taolagnaro : Niverina indray ny fanondranana sy ny afera “bois de rose”

Mahatratra eo amin’ny 10.000 isa ireo “bois de roses “miparitaka amin’iny tapany avaratry ny distrikan’i Tôlagnaro iny tao anatin’ny fotoana fohy. Izany dia nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ho solom-bavambahoaka Araka ny vaovao marim-pototra voaray tamin’ireo mponina tsara sitra-po amin’iny dia toerana maromaro, manomboka ao amin’ny kaominina ambanivolon’ IIaboakoho, mandalo an’i Manambato ka mipaka hatrany Manantenina, (efa manakaiky ny distrikan’i Vangaindrano). Saika ireo mpivelona amin’ity afera fanodinkodinana harem-pirenenana ity no voatonontonona amin’izany. Misy mihitsy aza anaran’olona maromarono. Raha tsorina, ireo andian’olona efa nivondrona ao amin’ny “reseau” na tambajotra-na “bois de roses” avokoa izy ireo. Sambo kely vitsivitsy mijanona manakaiky ny moron-dranomasina (araka ny loharanom-baovao azo antoka hatrany) no mitatitra ireto harem-pirenena ireto. Ireo mpiandriaka na mpitondra lakana any an-toerana no voalaza fa  misahana ny fitaterana ny hazo ao anatin’ny sambo.

Rom Farady

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser