Mbola mandry andriranantsy amin’izao fotoana izao ireo mponina any amin’iny lemak’i Manampanihy-Ambolo Ranomafana, distrikan’i Faradofay iny. Tao amin’ny kaominina iray atao hoe Emagnobo, raim-pianankaviana iray sahabo ho eo amin’ny 60 taona mahery eo no maty novonoin’olona tsy mbola fantatra. Raha fanaporoifoan’ny manodidina ny anton’izao vonoan’olona mahatsiravina izao, tsy resaka dahalo na malaso akory fa resaka lonilony eo amin’ny samy mpiara-monina. Ny sabotsy alina raha sondriana natory iny indrindra ny fianakaviana iray no nojokoina ilay rangahy. Nisokatra rahateo ny varavarankely noho ny hafanana be loatra. Samy tsy nisy nanampo ny iray trano Tamin’izany no nohararaotin’ireo olon-dratsy nanatanterahany ny asa ratsiny. Notapahiny tsy nisy indra fo toy ny mamono akoho ireny ny tendan’ilay raim-pianankaviana. Nijininika ary niparitaka tamin’ny fandriana ny rà. Tsy nahatsiaro tena ny iray trano. Rehefa nahavita ny asa ratsiny ilay olona lasa, napetrany teo ilay antsy maranitra. Tsy ny malaso ihany akory no mahavanon-doza fa na hatramin’ny mpiray monina koa aza. Efa misy ny olona ahiahiana ho tompon’antoka amin’ity sain-devoly ity. Tsara ny manamarika fa tsy voakasika ny fianakavian’ilay maty ary tsy nisy ihany koa ny entana very. Mijaly ny mponina!
Rom Farady