- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversTaolagnaro : Raim-pianankaviana 55 taona hita faty teo amoron-dalana

Taolagnaro : Raim-pianankaviana 55 taona hita faty teo amoron-dalana

Raim-pianakavina iray sahabo ho eo amin’ny 55 taona eo no hitan’ny fokonolona faty tao amin’ny kartie Tanambao. Ny alatsinainy maraina teo no nisehoan’izany.  Ireo mpandalo sendra nivezivezy tamin’ny lalana no nahita ny razana ka nampilaza ny mpitandro ny filaminana sy ny sefo fokontany.  Araka ny fanahadihadiana dia efa naharitra  ora maromaro, nadritra ny  alina tany,  no efa maty ilay rangahy. Tsy nahitana ratra ny tenany fa ny ra no niboiboika nivoaka tamin’ny vavan’ilay maty. Nisy  ny fitiliana na ny fijerena (autopsie) nataon’ny dokotera. Hatramin’izao, tsy mazava ny antony tena nahafaty an’ity raim-pianakaviana.Tsy mbola mandry fahalemana ao an-drenivohitra Anôsy.

Rom Farady

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser