Mitobaka izay tsy izy ny vokatra letisia any amin’iny Distrikan’i Taolagnaro iny. Tsy atao mahagaga fa anisan’ny mpamokatra ity voankazo iray ity ny any an-toerana. Tao anatin’ny telo herinandro amin’ ireo toerana izay aleha, olona mivimbina sy miloloha garaba letisia ary mitsakotsako ity voankazo iray ity no tazan’ny maso manerana ireo kartie-11. Tsy vitan’ny hoe voankazo ravaky ny tanimboly izy fa, vokatra azo avadika ho vola. Tsy vitsy ireo tantsaha no nifofotra nampitombo ny vokatra. Noho izany, betsaka no mpanefoefo ary afaka niaina nilamina noho ny mpamokatra letisia, noho ny fisian’ireo tsenam-barotra tamin’ny alàlan’ireo mpandraharaha ara-toekarena, mpanondrana any ivelany. An-taonina maro no nalefa tany ivelany. Nampiditra vola vahiny hoan’ny fanjakana sy ireo mpamokatra. Ankehitriny, zary nofinofy izany. Zavamisy iainana, nanjavona tsy hita ireo mpandraharaha na orinasa mpividy letisia. Niteraka ny tsy fisian’ny taom-piotazana ity voankazo iray ity tamin’ity taona ity, izay mbola mampametra-panontaniana ny tena antony. Mihintsana ary lo sy simba ho azy eny ifotony ny vokatra. Ny kisoa sy ny lambo ala àry ny akoho no mihinana azy. Misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny mponina sy amin’ny fahavitrihana hiohitra amin’ny fiainana. Loto miteraka tsy fahasalamana, io no iainana. Manolona izay tsy fisian’ny mpandraharaha izay,samy mitondra ny vokany ao an-drenivohitra avokoa ireo tantsaha. Zary lasa varo-boba. Hoditra sy voana letisia no miparitaka eran’ny arabe sy manodidina ny sekoly.
Rom Farady