- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTaolagnaro : Taksiborosy notafihan’ny dahalo, maty tsy tra-drano ny mpamily

Taolagnaro : Taksiborosy notafihan’ny dahalo, maty tsy tra-drano ny mpamily

Manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana misy any an-drenivohitry ny Faritra Anosy, dia miaina ao anaty horohoro sy tahotra isan’andro ny mponina, izay miangavy an’ireo manampahefana isan-tsokajiny mba hijery akaiky izany.

Nitrangana fanafihan-dahalo mitam-piadiana indray tany amin’ny distrikan’i Taolagnaro, ny faran’ny herinandro teo. Taksiborosy iray zotra rezionaly mampitohy an’i Taolagnaro, Soanierana, Manambaro ary Ambatoabo no notafihan’ny dahalo mpanakan-dalana, tao Vohipaly, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambatoabo, 3 km tsy hidirana ny Fokontany Tsimelahy, ka maty tsy tra-drano voatifitra ny mpamily, raha ramatoa iray kosa no naratra mafy. Raha ny vaovao voaray, dia tsy nionona tamin’ny fandrobana ny entana rehetra sy vola ireo malaso, fa novonoin’izy ireo tsy nananany antra ny mpamily ny fiara. Raha ny fantatra, dia avy namonjy tsena tany Ambatoabo, ka iny hitodi-doha hiverina hody iny ity fiara « 504 bâché » no nifanena tamin’ireo olon-dratsy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici