- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTaolagnaro : Teratany karana nahatratrarana entana efa lany daty

Taolagnaro : Teratany karana nahatratrarana entana efa lany daty

“Biscuits, bonbon” isankarazany ary dibera no tra-tehaky ny tomponandraikitry ny fanarahamason’ny varotra”DRC-Anôsy” ny Talata teo, tao amin’ny toeram-pivarontana. Magazay ana teratany karana iray tao Tanambao. Fanomezam-baovao avy tamin’ny mpanjifa iray narary kibo vokatry ny fihinana dibera novidina tao amin’ity labotika ity ny nahafantarana sy nahatratrarana an’ilay karana. Ity farany izay efa matetika no mivarotra entana efa lany andro toy izao. Manoloana izany ,nandray andraikitra avy hatrany ny talem-paritry ny sampandraharaha misahana ny varotra any an-toerana,nanaporofo ny mety ho fisian’ny entana lany daty.Tampoka no nidinan’ireo tomponandraikitra.Voaporofo tokoa ny fisian’ny entana lany daty.Tsy dibera ihany fa mbola nahitana “bonbon sy biscuit” isankarazany. Noraofina avy hatrany ireo entana. Eo an-dalam-pandoroana azy ny tao amin’ny DRC. Nanafatrafatra ireo mpivarotra sy ireo mpanjifa ny ao amin’ny sampan-draharaha iray ity, mba hanaja ny lalànan’ny varotra. Nampitandrina ihany koa ireo  mbola minia te- hanao zavatra hafahafa.Natao izany hoy DILIMIZONY Ayamar mba hanadiovana ny asan’ny sampan-drahara iray tantanany ity araka ny baikon’ny Ministra tomponandraikitra. Fa ny nanaitra dia ny fizahozahoan’ilay karana ny fahafantarany ny Lehiben’ny Faritra vaovao araka ny feo miely. Midika avy hatrany fa mitady vonjy amin’ity CR vaovao vao napetraka ity.Ny Lehiben’ny faritra nanizingizina fa hanarina ny tsy mety. Mba tsy hotratry ny tsindry aloka kosa e!. Ny toy izany mantsy no mety handratsy tarehy ny fitantanan-draharaham-panjakana.

Rom Farady

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser