- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversTaolagnaro : Tokantrano notafihan’ny jiolahy, voatsindron’antsy ny tompon-trano

Taolagnaro : Tokantrano notafihan’ny jiolahy, voatsindron’antsy ny tompon-trano

Afak’omaly, tokony ho tamin’ny roa ora maraina, tokantrano iray tao amin’ny Fokontany Tanambao Ambony, ao Taolagnaro tampon-tanàna, no notafihana jiolahy nitam-piadiana, ka entana mitetim-bidy an-tapitrisany maro no voaroba. Tsy nionona tamin’ny fandrobana ireo jiolahy, fa novonoin’izy ireo voasindron’antsy teo amin’ny kibony rangahy tompon-trano rehefa nanohitra an’ireto jiolahy tamin’ny fandrobana ny fananany, hoy ny vaovao voaray. Manoloana ny firongatry: nny fanafihana mitam-piadiana, vono olona, halatra taolam-paty, vaky trano, fanolanana, . . . , mahazo laka ao an-drenivohitry ny Faritra Anosy ankehitriny, dia mila vonjy amin’ny fitondram-panjakana mahefa ny vahoakan’i Faradofay mitaintain-dava mandry andriran’antsy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici