Tamin’ny fomba feno habibiana no namonoan’ireo namany ny tovolahy iray.Raha teny an-dàlana hamonjy fodiana avy nanala azy tany amin’ny toeram-pandihizana i Eddy , izay mbola 24taona monja no nanaovan’ireo andiana tanora angaredona ny ahahady maraina teo. Tsatok’antsy niafara tamin’ny fanapahana vozona no nihatra tamin’ilay tovolahy.Tsy fantatra marina izay tena antony nahatonga fahavoazana fa ny ratra teny aminy no nahafantaran’ny mpiara-monina ny nahazo azy. Herisetra miharo habibiana. Marihana fa mbola nahatonga ny tenany tany amin’ny trano fonenany ity tovolahy tamin’io maraina io. Ny kiakiakan’ny hoe “novonoin’olona aho mama, novonoin’olona aho mama”. Io no teny nahafantaran’olona fa i Eddy no mitoreo miantso vonjy. Samy taitra ny manodidina. Na dia nanao izay faraheriny sy azony natao aza ny fianankaviana nitondra azy teny amin’ny hôptalibe Philibert Tsiranana (CHRR)-Amboanato, tsy tana ny ainy. Tsy fantatra izay olona nahavanona ny loza fa mbola eo am-pikarohana azy ny mpitandro filaminana. Ny andron’io alahady io ihany dia nentina tao Anôsibe-Andramaka kaominina ambanivolon’i Sonierana ny vatana mangatsiakany miandry ny handevenana azy. Mbola mandry an-driran’antsy ny mponina ao an-tampontananan’i Fort-Dauphin. Ity herisetra mahatsiravina narahana vono feno habibiana ity no nitsena ny PDS vaovaon’ny kaominina ambonivohitr’i Fort-Dauphin.Tombanana fa hisy ny fandraisana andraikitra amin’ny famerenanana amin’ny laoniny ny fandriampahalemana ao an-drenivohitra Anôsy ity.
Rom Farady