Zava-doza no nafitsok’ity tovolahy vao herotrerony tamin’ny reniny nahitany masoandro tokony ho 46 taona. Rehefa tsy nahazo ny zavatra nangatahiny tamin’ity farany izy dia novonoiny ho faty ara-bakiteny tamin’ny alalan’ny tsindrona lefona sy daroka ilay nitondra folo volana azy. Voalaza fa tafahoatra loatra ny dôzin’ny rongony nofohiny ka nahatonga an’ity tovolahy, izay mbola vao 23 taona, nanao ny tsy fanao. Vao nitranga ny loza dia nandositra ny tanana misy azy ilay tovolahy. Araka ny vaovao farany azo anefa, vokatry ny ezaky ny mpitandro ny filaminana, tratra izy amin’izao fotoana izao, atao famotorana, ary hatolotra ny mpitsara mpanao famontorana tsy ho ela. Ny sabotsy teo no nitrangan’izany tao amin’ny kaominina ambanivolon’i Sonierana, tsy dia lavitra ny renivohitra Anôsy. Fa tao amin’ny kartie Befalafa kosa, ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Tôlagnaro, renim-pianakaviana iray mpiasam-panjakana no nodarohan-janany eo amin’ny 55 taona eo tamin’ny vely kobay sy totohondry. Vokany, naratra mafy ilay ramatoa. Mbola resaka dôzina rongony diso tafahoatra ihany no nahatonga izao fandratrana izao. Eo am-panaovana famotorana ny mpitandro ny filaminana ankehitriny. Ho hita eo ihany ny mety ho tohiny.
Rom Farady