- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTaolagnaro : Tovovavy 16 taona nalaina an-keriny, jiolahy iray voasambotra

Taolagnaro : Tovovavy 16 taona nalaina an-keriny, jiolahy iray voasambotra

Taorian’ny fakana an-keriny nitranga afak’omaly tolakandro, tokony ho tamin’ny efatra ora, tao an-drenivohitry ny Faritra Anosy ; izay nakan’ny jiolahy takalonaina tovovavy iray 16 taona antsoina hoe : Memena, mpianatry ny Ceg ao Amboasary Atsimo, izay nanao « vacances » nivantana tamin’ny havany ao Ampamakiambato, 4 km miala an’i Taolagnaro tampon-tanàna. Rehefa nokarohin’ny mpitandro filaminana fatratra ny nahavanon-doza tamin’ny alàlan’ny finday nampiasain’ny jiolahy niantsoana ny Ray aman-drenin-drazazavavy, dia voasambotra omaly naraina tamin’ny 10 ora, tamina trano iray tao amin’ny Fokontany Amboanato, ny jiolahy iray. Raha ny nambaran’ny fianakaviana nampita ny vaovao, niala « bus » tsy lavitra sekoly tsy miankina iray tao amin’ny Fokontany Ambinanikely ity tovovavy ity no hita farany, raha tokony hamonjy fodiana. « Taorian’izay dia niantso anay Ray aman-drenin’i Memena tamin’ny alàlan’ny finday ny mpaka takalonaina, ary nangataka vola amina miliara ». Raha ny vaovao voaray hatrany, vao sambany no nisy tranga fakana an-keriny toy izao tao Faradofay tampon-tanàna. Efa misokatra moa ny fanadihadiana lalina ataon’ny mpitandro filaminana any an-toerana amin’izao fotoana izao, ka ho hita eo ny tohiny sy ny tena marina mahakasika an’ity raharaha ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici