Niseholany indray amin’izao fotoana izao ny haitrano amin’iny distrikan’i Faradofay iny. Trano lehibe iray “Bara Samy Mahery”, fisotroana ao Andakoroa-Esokaka no may. Kila forehitra ary lasa lavenona avokoa ireo entana sy kojakoja maro samihafa tao an-trano sy fampiasa amin’ny bara.Tsy nisy noraisina ny entana sy ny vola an-tapitrisany maro tao an-trano ,nanjavona tanatin’ny fotoana fohy. Ny sabotsy maraina teo no nisehoan’izany. Araka ny vaovao voaray dia vokatry ny “cours circuit” no nahatonga ny firehetan’ny afo.Tsy tao an-trano ny tompony fa ny manodidina no nanatrika ny firehetana. Araka izany, tsy nisy ny aina nafoy.Tsy afa-nanoatra satria, nihidy tanteraka ny trano. Niezaka niantso ireo mpamono afo ny manodidina,saingy efa may avokoa ny entana vao tonga ry zareo.
Rom Farady.