Miverina indray ny resaka halatra taolam-paty, ary any amin’ny faritra indray no tena asian’ireo tsy mataho-tody ireo. Araka ny fantatra ary, taolam-paty valo gony no tratra tao amina tanàna antsoina hoe Tanambao Besakay, any amin’ny distrikan’i Mananjary iny, nafenina tanaty lava-bato. Vinaniana ho ana razana miisa 80 eo ho eo ireo taolana tratra ireo. Miraviravy tanana tokoa ireo mponina any amin’iny toerana iny, noho ny afitsok’ireo olon-dratsy ireo, satria, araka ny voalazan’izy ireo, dia very tanteraka ny hasin’ny razana. Nidina tany an-toerana ny mpitandro filaminana ka nahafahana nisambotra olona telo, izay nampidirina am-ponja avy hatrany taorian’ny fanadihadiana natao azy ireo. Mbola misy olona 4 karohina hatramin’izao, araka ny vaovao hatrany. Voalazan’ireto olon-dratsy ireto efa misy olona vonona handray sy nikômandy ireo taolam-paty ireo. Mandeha araka izany ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana.
m.L