Efa tonga eny an-tsena hatramin’ny 01 volana novambra teo ny vokatra lodsia ho an’ny faritra atsinanana. Manodidina ny 4.000 hatramin’ny 5.000 ariary ny kilao arakaraka ny habeny sy hamamin’ny lodsia. Ho an’ny faritra Atsinanana izay misahana ny fanokafana ny taom-pihotazana dia vinavinaina ho amin’ny 17 novambra izany, saingy mbola miandry ny didim-pitondram-paritra hiarahan’ny faritra analanjirofo sy ny faritra Atsinanana ny taom-piotazana amin’ity taona ity. Amin’ny fanomanana izany taom-pihotazana izany dia hisokatra anio 07 novambra ny “guichet unique” ho fanomanana ny taratasy rehetra entina mikirakira sy mitatitra izany lodsia izany ao anatin’ny taom-pihotazana. Tsy hifarana ity “guichet unique” ity raha tsy ny 15 novambra ka isaky ny amin’ny 10ora maraina mitohy mandram-pahariva ny andro amin’ny 04ora ny fahazoana manao izany. Niova kely ny hetsiky ny faritra atsinanana tamin’ity taona ity, satria tsy misokatra ny “guichet unique” ny sabotsy 09 novambra sy ny alahady 10 novambra. Tsy niova ny toerana hanaovana ilay “guichet unique” fa ao amin’ny trano fanaovam-petin’ny lapan’ny faritra atsinanana hatrany. Ankoatra izay dia araka ny fanadiadiana natao dia kasaina hisokatra ny 11 novambra ho avy izao ny fanaovana ny “primeur” na ireo mpanondrana lodsia amin’ny alalan’ny fiaramanidina, ka orinasa dimy no hanao izany fanondranana amin’ny fiaramanidina izany amin’ity taona ity. Raha ny taona lasa dia teo amin’ny 600 taonina teo ny lodsia mena nahondrana tamin’ny fiaramanidina ka ny firenena eropeana no tena nandefasana izany. Nahatratra 17.000 “palettes” teo kosa ireo lodsia misy “soufre” naondrana tamin’ireo sambo roa nalefan’ireo mpamongady mpivarotra ny lodsia malagasy eo amin’ny tsena any ivelany izay mbola ny Frantsay sy ny Eropeana no loha-lisitra amin’izany. Raha ny vokatra eny an-tsaha dia maro fa eo amin’ny fahatsarany sy ny habeny no misy olana hoy ireo mpanondrana lodsia amin’izao.
Malala Didier