Miezaka mandamina sy mametraka ny fiarovana ireo mpitatitra sy ireo mpanangom-bokatra ary ireo mpandraharaha lodsia ny eo anivon’ny Emm-Reg amin’izao taom-piotazana sy fanondranana lodsia izao. Fotoana maha-be ny fihodinkodinan’ny vola mantsy ny vanim-potoana tahaka izao ka tsy kely làlana ny ratsy, saingy raha asan-jiolahy no mampanahy ny mpitandro ny filaminana dia fampiasana vola sandoka indray no misy manao amin’izao fotoana izao, tahaka ny tranga niseho tratran’ny zandary tao Mahavelona Foulpointe raha naharay fitarainana izy ireo. Raha ny fanazavana, dia nividy toy ireny mpanangom-bokatra mividy lodsia amin’ny tantsaha ireny ireo mpanangom-bokatra mampiasa ity vola sandoka ity, ary amin’ny takariva sy ny andro manomboka alina no tena fividianan’izy ireo ny vokatra lodsia. Ireo tantsaha tao Mahavelona Foulpointe sy manodidina ity kaominina ity ary ireo ilany avaratry Toamasina no tena nanapariahan’ireto mpanangom-bokatra, izao vola sandoka any aminy izao. Mpanangom-bokatra iray no tratra tao mahavelona Foulpointe ny alarobia teo, mbola sarona tany aminy ny ambin’ny vola sandoka nampiasainy manodidina ny am-polony tapitrisa ariary teo, raha efa naparitany tany ambanivohitra nividianany lodsia kosa ny sasany mitentina am-polony tapitrisa ariary ihany koa. Vola 10.000 ariary vaovao ireto vola sandoka misy manaparitaka amin’ny fividianana lodsia izao, ka nanaovan’ny Emmo-Reg antso ho an’ireo tantsaha ny tsy hanaiky maka vola mivantana intsony, fa tokony hampiasa ireny “Mobile Money” izy ireo hisorohana izao resaka vola sandoka izao. Anio zoma no hiakatra eo anivon’ny fitsarana eto Toamasina ny raharaha, raha ny zandary tao mahavelona Foulpointe no nanao ny fakana am-bavany ireto olona tratra ireto.
Malala Didier