- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTaom-piotazana sy taom-panondranana lecthis : Hanomboka ny 17 novambra amin’ny 4...

Taom-piotazana sy taom-panondranana lecthis : Hanomboka ny 17 novambra amin’ny 4 ora tolakandro

Nanomboka ny alarobia 10 novambra 2021 ny « guichet unique » mikasika ny lotisia ho an’ny faritra Atsinanana. Eo anivon’ny faritra Atsinanana no anaovana izany ka hita ao avokoa ireo sampan-draharaha samihafa rehetra misahana ny fakana vola amin’ireo mpikirakira letisia. Nitsidika izany ireo tompon’andraikitra misahana ny fanondranana letisia tamin’ny alalan’ny GEL (groupement des exportateurs du litchi), ka nandritra izany no nahalalana fa tsy nisy fiakarany avokoa ireo vola alain’ny fanjakana ho an’ny mpanangom-bokatra.

Isan’izany ny sampan-draharahan’ny hetra araka ny naoty laharana 506/MEF/SG/DGI/DRIA. Ho an’ny fiara latsaky ny 1,5 taonina dia 130.000 ariary ny hetra tsy maintsy aloa. Ho an’ny fiara latsaky ny 3 taonina dia 160.000 ariary, latsaky ny 6 taonina 180.000 ariary, latsaky ny 10 taonina 200.000 ariary, ary mihoatra ny 10 taonina dia lasa 220.000 ariary izany vola izany. Ho an’ny kaominina kosa amin’ny saram-piantsonana araka ny didy hitsivolana laharana 40/BE/CU/TOA dia ny fiara latsaky ny iray taonina andoavana 40.000 ariary, fiara latsaky ny 2 taonina 80.000 ariary, fiara latsaky ny 5 taonina 120.000 ariary, maherin’ny 5 taonina andoavana vola 160.000 ariary. Ankilan’izay dia misy koa ny fakana vola amin’ny statistique, izay andoavana vola 20.000 ariary, sy ny fakana vola amin’ny fazahoan-dalana na ny « agrément » alain’ny faritra Atsinanana, andoavana vola 5.000 ariary. Taorian’ny fitsidihana natao tao amin’ity « guichet unique » ity dia nivory ireo komity misahana ny fandrindrana letisia, nandinika ny daty ahafahana manokatra ny taom-piotazana sy taom-panondranana amin’ity taona ity. Tapaka nandritra izany taorian’ny adiny iray sy sasany nivorian’izy ireo, fa ny alarobia 17 novambra amin’ny 4 ora tolakandro no misokatra izany. Hiova kely ny fomba entin’ireo mpanangom-bokatra manao ny asany, satria misy ny fampiasana ilay « laisser passer » manokana nataon’ny faritra izay tsy maintsy apetraky ny fiara rehetra mitatitra letisia amin’ny fitaratra anoloana ny fiara entina. Natao izy ity mba tsy hisian’ny fanakanana matetika ny fiara mpitatitra, satria vokatra mora simba no entiny.

Ankoatra izany koa dia ny faran’ny herinandro izao no efa no tonga eto Toamasina ireo sambo roa haka ny letisia misaritaka malagasy, satria eo amin’ny 16.000 taonina no haondrana eo amin’ny tsena eroperana (Ringis). Misy koa anefa ireo tsena any Dubai sy Rosia…ary Singapour ataon’ireo mpandraharaha. Hanomboka mandritra izany daty izany, sy izany ora izany koa ny fanondranana amin’ny alalan’ny fiaramanidina.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici