- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTaombaovaon’Imerina : Nomarihina tao anatin’ny fahanginana tanteraka

Taombaovaon’Imerina : Nomarihina tao anatin’ny fahanginana tanteraka

Tsy toy ny mahazatra isan-taona fa nangina tokoa ny nankalazan’ireo Zanadranavalona  ny taombaovaon’Imerina ny alarobia 12 mey, tsinambolan’ny Alahamady, tamin’ity taona ity. Tsy nisy ny hetsika famoriam-bahoaka azo natao, manoloana ny fepetra iatrehana ny valan’aretina misy ankehitriny.  Tsy nisy ny fombafomba fankalazàna mahazatra toy ny harendrina sy vono ambivolavita ary fiaraha-misakafo toy ny nofonkena mitàm-pihavanana. Ny fankalazana an-kalamanjana no tsy nisy, fa kosa samy nanamarika izany isan-tokantrano ny vahoaka, hoy ny filohan’ny Zanadranavalona, ny Andriana Alain Eddie Ravelonarivo. Ity farany izay nilaza fa tsy tokony hanamaivanana ny kolontsaina izay miainga amin’ny fiverenana an-doharano, na eo aza ny ady atrehina. Iray amin’izany ny fanamarihana ny Alahamady miainga amin’ny fanisanandro tamin’ny Mpanjaka Ralambo sy ny Mpanandro Habib hatramin’ny 1575 taona lasa. Ny taona 446 no nankalazana mifanaraka amin’izany tamin’ity Alahamady ity. Fankalazana izay tsy natsahatra na tamin’ny andron’ny fanjanahantany aza.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici