#Ambodivona. Tranom-barotra iray kilan’ny afo. Nisehoana hain-trano ihany koa teny amin’ny faritra Ambodivona iny omaly hariva tokony ho tamin’ny 6ora tany ho any. Raha ny fantatra dia trano iray fivarotana sy fitoeran’entana no levon’ny afo. Tsy nisy aina nafoy raha ny loharanom-baovao. Nalaky voafehy haingana kosa ny afo, tsy hiparitaka tamin’ny trano manodidinan, noho ny fahatongavan’ireo mpamonjy voina ara-potoana, izay vao avy namono afo tetsy Besarety. Raha ny voalaza hatrany dia « cour-circuit » no nahatonga ny loza.
#Ankadivoribe. Fanafihan-jiolahy, naratra ny tompon-trano. Nitrangana fanafihana mitam-piadina tany Ankadivoribe ny alatsinainy alina lasa teo. Tokantrano iray no fantatra fa notafihana jiolahy valo lahy mirongo basy sy zava-maranitra. Naratra vokatr’io fanafihana io ny lehilahy iray, tompon-trano. Ankevitry ny nodarohan’ireto olon-dratsy ireo angamba, ity rangahy ity satria dia naratra mafy teo amin’ny lamosiny, ny masony, ny tanany sy ny tongony ka voatery nentina tany amin’ny hôpitaly avy hatrany. Lasan’ireo jiolahy kosa ny vola 7 hetsy Ar, niaraka tamin’ny firavaka vitsivitsy.
Nangonin’i m.L