- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025

Tapatapany

#Hain-trano teny Besarety. Olona iray main’ny afo. Nahatratra teo amin’ny 250 teo ho eo ny isan’ireo olona tsy manan-kialofana vokatr’ilay hain-trano mahatsiravina teny Besarety ny talata lasa teo. Fantatra ihany koa fa nisy lehilahy 28 taona naratra vokatr’ity loza ity ka voatery nalefa haingana teny amin’ny hôpitaly. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia may ny tapany ambonin’ity lehilahy ity. Tsy natahorana anefa ny ainy, raha ny voalaza hatrany, ary efa manaraka fitsaboana eny an-toerana amin’izao fotoana izao.

#Anjozorobe –Ambohidratrimo. Basy miisa 17 nosavaina. Herintaona ihany no faharetan’ny taratasy fahazoan-dalana mitàna basy raha ny voalazan’ireo mpitandro filaminana. Niroso tamin’ny fisavana ireo olona manana basy tany amin’iny faritra Anjozorobe sy Ambohidratrimo iny ny mpitandro filaminana, manoloana ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana eny an-tanan’ireo olon-dratsy. Nahatratra 17 ny isan’ireo basy nosavaina raha ny fantatra hatrany.

Nangonin’i m.L

# Nosamborin’ny pôlisy ny mpivarotra rongony miisa efatra. Teny Anosimahavelona no nanantontosana an’izany. Fantatra koa fa avy eny amin’ny fasan’ny karàna ny tena mpamatsy azy ireo. Mbola nahitàna fonosana maromaro tany amin’ireo olona ireo, raha araka ny tatitry ny pôlisy.

# Mpanao fanafihana mitam-basy miisa enina no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana tany Mahatsinjokely-Tsiroanomandidy. Ny 8 oktobra teo no nanaovan’ireo ny fanafihana ary nahazoany vola mitentina dimy tapitrisa ariary ary nandratràna ny tompon-trano tamin’ny basy. Voasambotra rehefa natao ny fanadihadiana. Naiditra am-ponja omaly izy ireo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser