#Anosizato. « Epicerie » notafihana efa-dahy, lasa ny « versement ». Nisehoana fanafihana mitam-basy ihany koa ny teny amin’ny faritra Anosizato iny omaly hariva. Fivarotana enta-madinika no lasibatry ny jiolahy efa-dahy mirongo basy. Vola nahatratra teo amin’ny 3 hetsy mahery teo no lasan’izy ireo tamin’izany raha ny loharanom-baovao. Tonga teny an-toerana nanao ny famotorana ny mpitandro filaminana, izay tsy nahatratra intsony ireo olon-dratsy. Mandeha ny fanadihadiana.
#Masay. Fiara tsara tarehy nivadika ambony ambony. Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny lala-mikodana eny Masay iny omaly hariva tokony ho tamin’ny 5ora tany ho any. Fiara raitra, marika BYD, no nivadika ambony ambany teo Ankorondrano hiditra amin’ny lalan’ny Marais Masay iny. Tsy fantatra mazava hatreto izay antony nahatonga ny loza fa raha ny voalazan’ireo nanatri-maso dia somary nandeha mafy izy ity ary ankevitry ny nahita ireo « casseur de vitesse » ka nanidina, ary avy nivadika. Fantatra fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’izany loza izany. Naratra mafy kosa ireo olona tao anatin’ity fiara ity raha ny vaovao azo teny an-toerana hatrany.
Nangonin’i m.L