# Amboditsiry. Taxibe voatafika, voaendaka ireo mpandeha. Omaly vao maraim-be tokony ho tany amin’ny 4 ora sy sasany tany ho any, taxibe iray mampitohy an’Amboditsiry mankany Tanjombato no notafihana andian-jiolahy maromaro. Voambana antsy ny mpamily sy ny mpanampy azy ka tsy afaka nikofoka, raha ny loharanom-baovao azonay. Tamin’izany no nanaraotanan’ireo olon-dratsy nanendaka ireo mpandeha vitsivitsy tao anatin’ity fiara ity.
#Ankadindramamy. Mpivarotra nisy nanafika. Vao tsy ela akory izay no nisiana fanafihana mitam-piadiana teny amin’iny faritra Ambohidahy Ankadindramamy iny ka nahavoatifitra olona roa. Afak’omaly hariva indray dia nitrangana fanafihana toa an’izany ihany teny amin’iny faritra iny, raha ny loharanom-baovao. Fantatra fa mpivarotra ihany koa no notafihana andian-jiolahy maromaro. Mbola tsy fantatra kosa, raha ny loharanom-baovao hatrany, ireo zavatra very. Tsy nisy kosa ny naratra.
#Mandoto. Dahalo telolahy, nangalatra omby 18. Ny alin’ny 3 novambra lasa teo tao Tsinjoarivo, Antanambao Ambary, dahalo miisa telo, mirongo fitaovam-piadina no nangalatra omby 18 tao amina tokantrano iray. Nalain’izy ireo an-tsokosoko izany. Tsy nisy naheno no namohan’izy ireo valan’omby. Voalazan’ny mpitandro filaminana fa rehefa natao ny fanarahan-dia dia fantatra fa nandeha nianatsimo ny dian’ireo dahalo. Efa mandeha ny famotorana.
Nangonin’i m.L