- Publicité -
vendredi, septembre 19, 2025

Tapatapany

# – Itaosy. Lozam-pifamoivoizana. Omaly maraina nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Itaosy. Ny voavoa no nahalalana fa sarety taritin’omby no nidona tamin’ny fiara. Potika tanteraka ilay fiara. Ireo omby nitarika sarety kosa, tapa-tongotra ny iray. Ingahy mpandroka sarety folaka ihany koa. Vokatr’ity loza ity, nitohana tsy nisy ohatran’izany ny fifamoivoizana teny an-toerana.

# -Ampefiloha. Ankizy vavy maty namono tena. Mpianatra iray no fantatra fa namono tena ary dia namoy ny ainy na dia efa notsaboina aza. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa toa hoe resaka tao amin’ny tokatranon-dray aman-dreniny no nahatonga izao zavatra izao. Voalaza fa nisotra fanafody famonoana biby ity ankizy ity. Teny an-dalana izy no safotra ary olona sendra nahita no nitondra azy tany amin’ny trano fitsaboana. Tamin’ny faran’ny herinandro teo no niseho izany.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser