- Publicité -

Tapatapany

# – Iavoloha. Adala saika hiditra tao an-dapa. Omaly dia nisy olona izay voalaza fa marary saina saika hiditra tao amin’ny lapan’Iavoloha. Vao tery am-bavahady anefa dia efa voasakan’ny miaramila mpiambina izy ka nentina niverina avy hatrany.

# – Famonoana Pasitera karana. Olona 6 voaheloka 6 taona asa an-terivozona. Omaly no notsaraina tetsy Anosy ireo olona enina voarohirohy tamin’ilay famonoana ilay pasitera karana teny Andranotapahana. Sazy asa an-terivozona 6 taona avy no azon’izy ireo.

# – Antanambao Manampotsy. 10 tapitrisa ariary voaroba. Fanafihana tao  Analatsara, Tanambao – Manampotsy, ka raim-pianakaviana iray no voatafika. Lasan’ireo olon-dratsy ny vola 10 tapitrisa Ariary. Voasambotra ny telo amin’ireo jiolahy.

# – Ankazobe. Dahalo maty voatifitra. Taorian’ny halatr’omby tao Ambodiriana – Ankazobe, izay nahaverezana omby telo dia nisy ny fanarahan-dia sy ny sakana natao. Raikitra ny fifanjevoana ka dahalo iray maty voatifitra, ny iray naratra mafy ary ny iray tafatsoaka.

# – Ambohimalaza. Sprinter sy Kamiô nifandona. Olona 6 no naratra mafy tamina lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ambohilamalza (RN2 – PK 15+700). Sprinter sy kamiô no nifandona, ka nalefa eny amin’ny HOMI ireo naratra rehetra.

Nangonin’i Aina R.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser