- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025

Tapatapany

# – Ankadifotsy. Mpifoka rongony 10 nosamborina. Omaly, mpifoka rongony tsy latsaky ny folo no nosamborin’ny mpitandro filaminana teny amin’ny faritra Ankadifotsy, eo amin’ny toerana malaza hatramin’izao antsoina hoe « Sanigros ». Tsy fantatra moa na izao marina ny fanoratra ny anaran’io toerana io na tsia. Naharay vaovao ny polisy miady amin’ny fihanaky ny zava-mahadomelina. Nidina teny ry zareo ary izao nahatratra mpifoka rongony izao. Voalazan’ny vaovao fa sokajin-taona isan-karazany tokoa ny an’ireo olona nosamborina. Misy tena mbola kely, tsy ampy taona. Ao koa ireo efa lehibe ary efa zatra an’io toerana io hifohana rongony.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser