# Brickaville. May ny orinasa Sirama. Tsy fantatra mazava hatreto izay nahatonga ny loza. Araka ny fampitam-baovao azonay dia nahitana fahamaizana ny orinasa mpanodina siramamy any an-toerana, Sirama tany Brickaville ny talata alina hifoha alarobia lasa teo. Potika tsy nisy azo noraisina ny entana rehetra tao amin’ity orinasa ity. Tafakatra any amina miliara ny teti-bidin’ny fahavoazana raha ny loharanom-baovao hatrany. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana.
# Tanjombato. Rangahy hita faty tao ambany tetezana. Lehilahy iray manodidina ny 35 taona teo ho eo no hitan’ny fokonolona efa tsy nisy aina intsony teo ambany tetezan’i Tanjombato, ny talata hariva lasa teo. Raha ny fantatra dia fanaony ny mivoaka rehefa alahady ary tsy mody. Kanefa dia io hita faty ny talata hariva io izy. Tsy nahitana diana ratra na famonoana kosa teny amin’ity rangahy ity tamin’io fotoana io, raha ny filazan’ireo tompon’andraikitra tonga teny an-toerana.
#Tsiazotafo. Lehilahy nitsitra teo amoron-dalana. Rangahy iray manodidina ny 40 taona any ho any no hitan’ny olona nitsitra efa tsy nisy aina intsony tetsy Tsiazotafo, omaly antoandro. Raha ny filazan’ireo manodidina dia efa nitsingidina tao ambadika fiara iray ity lehilahy ity ka noheverin’izy ireo fa mamo. Nandeha kelikely anefa dia niakarapoka. Ny mpamonjy voina tonga teny an-toerana kosa no nilaza fa efa tsy misy aina intsony ity lehilahy ity. Tsy misy taratasy ahafantarana ny momba azy teny aminy raha ny fantatra hatrany.
Nangonin’i m.L