# Nahazo baiko manokana ny hery vonjy taitra eto an-drenivohitra, eo anivon’ny pôlisy ny amin’ny hanamafisana ny fandriam-pahalemana mialoha sy mandritry ny fety. Handresy ny asan-jiolahy izay somary nisesisesy tato ho ato, toa ny vanim-potoan’ny fety rehetra ihany, ary koa hidina ifotony “hanjono” ireo mpangarom-paosy no tena tanjon’ity hetsika manokana izay hotanterahin’izy ireo ity.
# Ramatoa iray nofaohin’ny fiara tetsy Antanimena omaly atoandro. Naratra mafy, sady teo amin’ny lohany rahateo no voadona, ary tsy nahatsiaro tena izy vokatr’izany. Nentina tany amin’ny hopitaly ary ahiana ny ainy raha araka ny filazan’izay nahita ity lozam-pifamoivoizana ity.
D.R