# – Analavory. Couvre-feu. Nanapa-kevitra ny tompon’andrikitra avy any Analavory fa hisy ny « couvre-feu » manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 3 ora maraina any an-toerana. Tsy maintsy noraisina izao fepetra izao manoloana ny asan-jiolahy mahazo vahana any an-toerana tato anatin’ny herinandro maro izao.
# – Olona 5 mamo notazonina. Ny zoma alina teo, nanao hetsika ny polisy amin’ny fitiliana ireo olona mitondra fiara nefa nanendry alikaola. Fantatra tamin’izany fa tamin’ireo 40 nosakanana, dimy no nisotro tafahoatra ny tokony ho izy. Efa miasa mantsy amin’izao fotoana izao ny fitiliana, na dia mbola andrana fotsiny aza, ho an’ireo mpisotro toaka mbola mikiry mitondra fiara.
# – Rongony. Mpivarotra tratra teny Andohatapenaka. Mitohy tsy mijanona ny hetsika ataon’ny polisy misahana ny ady amin’ny fianahan’ny zava-mahadomelina. Olona iray indray no sarona nivarotra rongony teny Andohatapenaka tamin’ny sabotsy teo. Rongony milanja 30 kg natao tao anaty gony miisa telo no hita tao an-tranony. Nolazainy fa olona avy any Betroka no mamatsy azy efa ho rao taona izay.
nangonin’i r.s.