- Publicité -
samedi, juin 21, 2025

Tapatapany

# – Amparafaravola. Mihorohoro ny mponina. Tato anatin’ny herinandro vitsy izay dia voalaza fa mamono ny aretina peste any Alaotra indrindra any Amparafaravola. Tamin’iny herinandro lasa iny tokoa, olona 15 narary no notiliana ary fantatra fa ny dimy tamin’izy ireo dia voan’ny pesta avokoa. Ny iray namoy ny ainy. Voalaza fa ahitana ity aretina ity ny any Andilamena izay efa namoizana ain’olona volana iray lasa izay. Amin’izao fotoana izao dia matahotra mafy ny mponina ao Ambatondrazaka sao dia ho tonga any ity areti-mandoza ity.

# -Ankorondrano. Mpangalatra varahina. Saika isaky ny alina dia tsy matory ny mponina eny Ankorondrano Andrefana. Mahare olona miady lavaka, na ny marina kokoa, mandavaka manaraka iny lalamby iny ry zareo. Tsy misy sahy mivoaka fa dia mijery fotsiny. Rehefa tena nojerena ny zava-nisy dia misy andian’olona maka  varahina milevina, efa taona maro izao. Ny mahavariana ny rehetra dia ny nahafantaran’izy ireo ny fisian’izany zavatra izany.

# – Ampasika. Tsy mbola hita ilay maty an-drano. Hatramin’ny omaly hariva, araka ny vaovoa voaray teny anivon’ny sampandraharaha samy hafa, tsy mbola hita ilay olona voalaza fa nitsoraka avy eny ambony tetezana teny Ampasika nankany amin’ny ranon’Ikopa. Efa ho telo andro mantsy izao no nisy ity zavatra ity. Saika isan’andro ny mpomonjy voina no manao ny asany nikaroka azy. Ny alin’ny alahady no fantatra fa nisy lehilahy iray lasa tany anaty rano tany.

# – Anosisoa. Vehivavy naratra mafy. Nisehoana lozam-pifamoivizana teny Anosisoa, ny talata hariva teo. Vehivavy iray nandeha tamin’ny sisin-dalana no fantatra fa nodomina taxi-be. Maratra mafy tokoa ity olona ity.  Araka ny voavoa dia nihodina ilay fiara. Tsy hitany anefa ilay ramatoa tao arinany ary tamin’izany no nahavoa an’ity farany. Tsy nahafantatra na inona na inona ny mpamily ary lasa nandeha niala ny toerana. Ilay vehivavy anefa tena voa mafy tokoa.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser