# Andravoahangy. Nirehitra ny andrin-jiro lehibe iray. Nisahotaka avokoa ny mponina rehetra teny amin’ny faritra Andravoahangy iny, omaly hariva tokony ho tamin’ny 7ora tany ho any. Raha ny fitantaran’ireo olona nahita ity tranga ity, dia nahitana zavatra nitselatselatra teo amin’ny « fil » iray tamina andrin-jiro lehibe teny an-toerana. Nirehitra avy eo ary nipoaka mihitsy. Nisavoritaka avokoa ireo olona rehetra teny an-toerana vokatr’io trangan-javatra io. Soa ihany fa vetivety dia niato izy io.
#Ankadindramamy. Lehilahy maty irery tao an-tranony. Lehilahy iray manodidina ny 40 taona no namoy ny ainy irery tao an-tranony teny Ankadindramamy omaly hariva. Tsy fantatra mazava hatreto izay antony nahafaty ity raim-pianakaviana ity. Ny zanany hijery ny rainy tao an-tranony no efa nahita azy irery nitsitra tao an-trano, efa tsy nisy aina intsony. Naterina teny amin’ny tranompaty ny razana.
#Fanafihana teny Sabotsy Namehana. Olona enina voasambotra. Taorian’ilay fanafihana nahafatesana olona teny Manarintsoa, Sabotsy Namehana, tokony ho tapa-bolana lasa izay, dia fantatra fa olona enina amin’izao no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana sy hadihadiana.
Nangonin’i r.s
# Kamiao mivilana ny sasany ampiasain’ireo mpaka fakon’ny kaominina. Marina fa rehefa mahavita ny asany izy ireo dia izay no zava-dehibe. Saingy rehefa mivilana kosa na manao dian’alika ilay fiara, dia lasa tsy omby arabe ka mikasoka amin’izay fiara mipetraka antsisin-dàlana. Toa izay nitranga teny Faravohitra omaly.
# Kamiao lehibe iray nifaoka môtô ary tsy nijanona. Voatery nifanenjehana ka raha tsy efa tany amin’ny 300 metatra tany vao nijanona. Mbola ny mpamily indray no avo vava avy eo. Tetsy amin’ny 67ha no nitrangan’izany ny alin’ny alarobia teo.
D.R