- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024

Tapatapany

# Ankorondrano. Ramatoa nodomin’ny fiara sy moto. Nitrangana lozam-pifamoivoizana tetsy Ankorondrano, amin’ny lalana mihazo an’Alarobia iny, afak’omaly hariva. Vehivavy iray izay voalaza fa avy nisotrosotro no nivembena tamin’ny sisin-dalana ka nofaohin’ny fiara. Tsy vitan’izay anefa fa rehefa nipitika izy dia mbola nodomin’ny moto indray ka naratra mafy.

# Mahitsy. Fantin-dehilahy efa simba. Nisy razana efa simba hitan’ny fokonolona tao Ampanotokana Mahitsy, afak’omaly maraina be. Tonga teny an-toerana ny zandary ka rehefa nozahana ny razana dia hita fa tapaka ny tanan’ilay lehilahy, ary maratra be ihany koa ny tongony. Voalazan’ny olona akaiky azy fa efa andro maromaro no tsy nahitana ity lehilahy ity ary izao hita faty izao.

Nangonin’i A.R.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser