- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025

Tapatapany

# – Ankorondrano. Moto iray indray voafandriky ny lavaka. Omaly tokony ho tamin’ny 8 ora alina, moto iray indray no nianjera teo amin’ilay lavaka eo afovoan’ny lalana eny Ankorondrano. Nitrosona tamin’ny tany ilay lehilahy ary nisy naratra teo amin’ny sandriny. Tsy nisy fahasimbana kosa anefa ny moto nentiny. Na dia efa notsentsena aza io lavaka io, mbola maromaro ihany ny fiara sy moto manitsy ary avy hatrany dia misy fahasimbana.

# – Talata Volonondry. Mirongatra ny hala-botry. Velon-taraina ny mpamboly any amin’iny faritry Talata Volonondry iny amin’ny hafitsoky ny mpanao hala-botry. Na dia tsy mbola tsy tokony hadiana sy halaina aza ny voly dia efa alain’ny sasany amin’ny alina. Ny tena mahavariana, samy miteny ny rehetra fa olona tsy lavitra ny tanana ihany no manao izany. Efa tena ao anaty “fahavaratra” mantsy amin’izao fotoana izao.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser