# – Ambatomaro. Adala nanaikitra polisy. Tamin’ny fotoana nisamborana azy no tsy nanaiky ity lehilahy iray, voalaza fa tsy salama saina, fa nanohitra mafy ireo mpitandro filaminana tonga haka azy. Vokany, polisy iray no voakaikitra teo amin’ny molony sy ny tarehany. Tamin’ny talata alina, nitabataba ilay lazaina fa marary saina ary saika hidaroka ny havany. Tsy nilamina ny raharaha ary voatery tsy maintsy niantso polisy ireto farany. Teo amin’ny fisamborana no sarotra. Farany moa, tsy afaka nihetsika ilay tsy salama saina ary nentina any amin’ny trano fitsaboana.
r.s.