- Publicité -
vendredi, septembre 26, 2025

Tapatapany

# – Morondava. Zandary roa maty. Zandary roa nandeha moto no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Analaiva Morondava. Ny loharanom-baovao no nahalanana fa fiara lehibe iray no nandona azy ireo. Efa misokatra ny fanadihadiana.

# – Amparafaravola. Olona telo voatafika. Nisehoana fanafihan-jiolahy tany amin’ny Tanana iray Ambohimanjaka any Amparafaravola ny faha-9 desambra lasa teo. Jiolahy nitondra PA ary nanao fanamiana miaramila no nanafika ka very tamin’izany ny vola 3 tapitrisa ariary sy volamena 30 gr.

# – Soanierana. Vehivavy notsatohan’ny vadiny antsy. Vehivavy iray 25 taona no fantatra fa notsatohan’ny vadiny antsy teny Soanierana afak’omaly tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Voa teo amin’ny sandriny ity olona ity ary rehefa avy eo natsipy tany anaty rano. Hasarotam-piaro no nahatonga izany.

# – Tanandava. Olona iray maty. Nisehoana lozam-pifamoivoizana tany Batainomby Tanandava ny faha-10 desambra lasa teo. Fiara iray nentina lehilahy 40 taona, voalaza fa anndeha mafy no nivadika. Vokany maty io mpamily fiara io.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser