# – Anosibe. Fatin-dehilahy. Fatin-dehilahy iray no hitan’ny olona amoiron-dalana teny Anosibe, omaly vao maraina be. Olona eo amin’ny 45 taona eo ilay izy. Rehefa nahare ny vaovao ny avy ao amin’ny BMH dia tonga naka ny razana ary nanatitra izany teny amin’ny tranompaty. Tsyy fantatra marina iay antony nahafaty an’io olona io. Tsy nisy ratra hita mivantana teny amin’ny tenany.
# – Antsahabe. Fiara maromaro nifandona. Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny Antsahabe, omaly tokony ho tamin’ny 10ora teo ho eo. Fiara tsy mataho-dalana iray no tapaka “frein” ka nandona fiara maromaro teo alohany. Vehivavy iray mpandeha tongotra no fantatra fa naratra mafy nodonin’ireo fiara. Tapaka tamin’izany ny tongony. Nentina avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana ity naratra ity. Nahitana fahasimbana avokoa ireo fiara maromaro voadona tamin’ity loza ity.
# – Sambaina. Fiara nitondra mpampianatra nodomina kamiô. Mbola lozam-pifamoivoizana ihany no nitranga tamin’iny lalam-pirenenana faha-7 iny, omaly tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro tany. Fiarabe “boeing” nitondra mpampianatra amina sekoly iray eto an-drenivohitra saika handeha ho any Antsirabe, no nodomina kamiôbe iray teo atsimon’i Sambaina. Saika naratra mafy avokoa ireo olona tao anatin’ilay “boeing”, raha ny fampitam-baovao azo. Ireto tena voa mafy dia efa nampakarina tany an-drenivohitra raha nalefa notsaboina any Antsirabe kosa ireo hafa. Somary nanerikerika sy nalama ny lalana omaly no sady mbola fidinana teo amin’ny toerana nisian’ny loza. Tsy fantatra mazava hatreto ny tena antony. Vinavina ny hoe mety ho nanana tsy fahatomombanana tamin’ny resaka hisatra ity kamiô ity ka avy hatrany dia nifatratra tany amin’ilay fiarabe nitondra mpampianatra.
Nangonin’i r.s / m.L