- Publicité -
samedi, juin 14, 2025

Tapatapany

# Fanondranana tsy ara-dalàna. Zana-tsokatra avy aty Madagasikara miisa 170 tratra tany Roissy, Frantsa. Zana-tsokatra, Astrochelys radiata, antsoina ihany koa hoe « tortue etoilée » avy aty Madagasikara no sarona tao amin’ny « Douane » tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Roissy tany Frantsa, omaly. Nofonosina « ruban adhésif » izy ireo raha fanazavana nomen’ity fadin-tseranana ity ary nafenina tao ambanina vata misy « concombre de mer ». Fantatra fa ny 15 tamin’ireo zana-tsokatra ireo no maty teny an-dalana. Isan’ireo karazan-tsokatra arovana mafy ireo sokatra tratra tany am-pitandranomasina ireto raha ny fanazavana azo hatrany, ary atahorana ho lany tamingana. Saika halefa any Laos izy ireo izao sarona izao, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao hatrany.

# Antohomadinika. Lehilahy maty nananton-tena. Lehilahy iray 36 taona no hita faty tao an-tranony ny alin’ny alahady lasa teo teny Antohomadinika. Araka ny fanazava azo dia namono tena tao an-tranony, tamin’ny alalan’ny fanantonan-tena ity lehilahy ity. Resaka adin’ny mpivady no voalaza fa nahatonga izao famoizam-po lalina teo amin’ity lehilahy ity izao. Efa nentina teny amin’ny tranom-paty ny razana. Tonga nanao ny fizahana ifotony teny an-toerana kosa ny mpitandro filaminana.

# Ambolonkandrina. Taxibe nodomina fiara tsy mahataho-dalana, naratra mafy ny mpamily. Nisehoana lozam-pifamoivoizana ny teny Ambolonkandrina omaly vao maraina. Fiara tsy mataho-dalana, nambara fa tapaka hisitra no nitsotsotso nifatratra tany amina taxibe teny an-toerana. Mafy dia mafy ny fifandonana. Naratra mafy vokatr’izany ny mpamily an’ilay taxibe. Samy nahitana fahapotehana goavana kosa na ny andaniny na ny ankilany. Nentina namonjy hôpitaly haingana kosa ilay mpamily naratra.

#- Ambohimailala. Fasana roa indray vaky, foana tanteraka ny tao anatiny. Fasana roa be izao indray no lasibatr’ireo mpangalatra taolam-paty teny Ambohimailala, ny alahady lasa teo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa foana tanteraka ireo razana tao amin’ny fasana voalohany, karan-doha vitsivitsy fotsiny no sisa tavela tao amin’ilay faharoa. Mpiandry omby sendra nandalo teny an-toerana no nahita ity tranga mampalaelo ity ka nampiantso ny tompon’andraikitra. Mandeha ny famotorana.

# Alasora. Lehilahy nitsoraka tao ambany fiara. Lehilahy iray tokony ho 40 taona no nitsoraka tao ambany fiara tsy mataho-dalana iray teo amin’ny lalana mampifandray an’Ankadindratombo sy Ambohimanambola, ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 8ora maraina. Voadona teo amin’ny lohany ity lehilahy ity ary nentina avy hatrany teny amin’ny hôpitaly. Ny alahady lasa teo no fantatra fa namoy ny ainy izy io. Tsy misy ny taratasy nahafantarana azy na olona mahafantatra azy. Nalefa ao amin’ny tranom-patin’ny Hjra ny razana.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser