- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -

Tapatapany

# – Toamasina. Ramatoa maty voatifitra. Ny alahady hariva lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora, vehivavy iray no fantatra fa maty notifirana polisy iray nanao fanamiana sivily. Teo amin’ny tendan’ilay ramatoa no niantefa ny bala. Hatramin’izao, tsy fantatra izay antony marina nahatonga ny fitifirana. Araka ny vaovao, efa nosamborina hatao fanadihadiana ilay nitifitra. Samy monina ao amin’ny fokontany Ambolomadinika izy ireo.

# – Antaninarenina. Fiara nianjeran’ny hazo. Fiara Golf 2 nijanona tamin’ny sisin-dàlana no potika nianjeran’ny hazo teny Antaninarenina, omaly tokony ho tany amin’ny 4 ora tany ho any. Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara. Soa fa tsy nisy olona naratra. Maro ny hazo efa tena antitra sy boboka, na dia mbola mijoro aza ety amin’ny renivohitra. Atahorana mihitsy ny mijanona akaikin’izy ireny.

# – Ampangabe. Halatra fil JIRAMA. Ny andron’ny 28 desambra, naharay antso ny zandary fa misy taribihy an’ny JIRAMA tapaka nikiraviravy teny amin’ny faritra Ampangabe Atsimondrano. Nandeha teny an-toerana ireo mpitandro ny filamina ary nahita ny zavaniseho tokoa. Rehefa tena nozahana anefa izany dia nahatsikaritra izy ireo, fa pôtô efatra be izao no efa tsy misy tariby intsony. Araka izany, dia nisy nangalatra ireo fil ireo.

# – Tsiroanomandidy. Halatra omby. Dahalo nitondra basim-borona no nanafika ny tanàna antsoina hoe Androtra any Belobaka Tsiroanomandidy. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny omby  14. Raha vao niditra ny tanana izy ireo dia napoakany ny basy. Tsy nisy sahy nivoaka ny olona fa dia nihaino fotsiny izay nataon’ireo mpangalatra. Nanaradia ny zandary rehefa naharay antso avy tamin’ny fokonolona. Hatramin’izao, tsy mbola hita ny nalehan’ireo jiolahy.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser