# Efa tonga any Antsirabe ny vatana mangatsiakan’i Mamisoa Daniel Andriantsalama. Niresaka tamin’ny mpanao gazety tao an-toerana ny fianakaviany ary nanamafy, fa daroka sy vono no nitarika ny fahafatesany fa tsy fitsambikinana teny ambony fiara izany. Miandry ny fahavitan’ny fanitrihana ny razana izy ireo dia hanao ny raharaham-pitsarana rehetra amin’izay…
# Karàna sarona miaraka amin’ny vola sandoka, mahazo fahafahana vonjimaika ; sinoa mpanao kidnapping mahazo fahafahana vonjimaika. Mitady ho lasa tsimatimanota ireo teratany vahiny manao heloka bevava eto amintsika. Manao izay ho afany ihany ny mpitandro ny filaminana amin’ny fisamborana sy ny fanadihadiana, saingy rehefa tonga etsy Anosy dia afa-maina ireo olona. Mila hamafisina ny rafitra miady amin’ny kolikoly eo anivon’ny fitsarana, raha mbola misy koa ny fanjakana te ho tsara tantana…
D.R