- Publicité -
mardi, mai 20, 2025

Tapatapany

#- Analakely. Nirehitra ny Tahala Rarihasina. Nisehoana fahamaizana ny tao amin’ny Tahala Rarihasina, omaly alina, tokony ho tamin’ny 9 ora latsaka tany ho any. Voalazan’ny mpamonjy voina, izay tonga haingana teny an-toerana, fa vokatry ny « court-circuit » no nahatonga ny loza tao amin’ity trano lehibe ity. Nalaky voafehy ihany ny afo, nanampy izany ihany koa ny fisian’ny ora-mikija omaly hariva. Maro maro ihany ny zavatra may tao, na dia izany aza, saingy tsy mbola voafaritra kosa ny teti-bidin’ireo simba ireo.

#- Ilanivato. Jiolahy telo nanafika tokantrano iray. Nisehoana fanafihana mitam-piadiana tamin’ny farita Ilanivato iny omaly tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina tany ho any. Jiolahy telo mirongo zava-maranitra no niditra an-keriny tao amina tokantrano iray teny an-toerana. Vola mitentina telo hetsy ariary mahery teo ho eo, niaraka tamin’ireo fitaovana sarobidy tao an-trano no noraofin’ireo jiolahy. Teo anatrehan’ny fandrahonana nataon’ireo jiolahy dia tsy afa-namaly ny tompon-trano ary nanao izay danin’ny kibony ireo olon-dratsy. Efa lasa lavitra kosa ireto jiolahy vao afaka niantso ny mpitandro filaminana ireo voatafika.

#- Fanapoizinana. Ankizy telo narary, voapoizin’ny fanafody. Ankizy kely roalahy no nahatelina fanafody fampatoriana, vavikely iray hafa kosa nihinana fanafody fanintona, ny alatsinainy lasa teo. Ankizy samy hafa izy ireo saingy samy voapoizina tamin’ny fanafody izao avokoa. Asa raha zavatra hitankitany teny ireto fanafody ireto dia natelin’izy ireo na ahoana. Efa nalemilemy avokoa izy ireo no nentina teny amin’ny tobim-pahasalamana. Nalaky voavonjy ihany ireto ankizy ireto.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser