#- Soanierana – Ankaditoho. Mpivarotra sy mpifoka rongony dimy saron’ny pôlisy. Vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahan’ny pôlisy nidina teny amin’ny faritra Soanierana sy Ankaditoho iny, ny amin’ny fisian’ny olona mpamatsy sy mpifoka rongony. Olona dimy tamin’izany no saron’izy ireo teny an-toerana, ny alarobia lasa teo. Fianakaviana iray mihitsy no miditra eo amin’ity fibizinana rongony ity, ny rainy, ny zanany ary ny reniny, niampy lehilahy roa izay samy mpivarotra sy mpifoka rongony avokoa. Mbola nahatratrarana fonosan-drongony 317 tany amin’izy ireo. Natolotra ny fitsaràna ny alarobia lasa teo.
#- Tsiroanomandidy. 30 lahy nanafika tanàna, omby 110 no lasan’izy ireo. Nisehoana fanafihan-jiolahy mahery vaika indray ny tamin’iny faritry Tsiroanomandidy iny, omaly maraina. Dahalo teo amin’ny 30 lahy teo, nirongo fitaovam-piadiana no niditra ny tanàna. Tsy nisy sahy nivoaka ny olona, ka nanararaotra tamin’ny famoahana ireo omby ireto olon-dratsy ireto. Fantatra tamin’izany ary, fa omby teo amin’ny 110 teo no lasan’izy ireo. Efa mandeha avy hatrany ny farahan-dia sy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.
#- Toamasina. Mpandendaka, naratra mafy niharan’ny fitsaram-bahoaka. Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tao an-drenivohitry Betsimisaraka tao, ny alarobia lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo tany an-toerana dia mpanendaka iray no tratran’ny fokonolona teo am-panavaona ny asa ratsiny. Vory avy hatrany ny olona, nidaroka an’ity mpangalatra ity ary saika tsy namelan’izy ireo raha tsy tapitra ny ainy. Efa nanangan-torana rahateo ity lehilahy ity no tonga naka sy nitondra azy ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i m.L