# – Ambohipo. Fanafihana andro antoandro. Omaly tokony ho tany amin’ny 11 ora, notafiahan’ny bandy roa lahy nitondra basy ny Cyber café misy ireny Mvola ireny teny Ambohipo. Niditra izy ireo, nambanany basy ny olona ary nalainy ny vola voalaza fa nahatratra hatrany amin’ny 12 tapitrisa ariary tao amin’ilay trano. Tsy naharitra ela ry zalahy fa raha vao azony izany dia lasa nandeha izy ireo.
# – Antanifotsy. Lehilahy maty an-drano. Miakatra be ny rano saika manerana ny faritra maro. Anisan’izany ny any Antanifotsy. Olona iray no voalaza fa maty lasan’ny rano. Ny voavao no nahafantarana fa roa izy ireo no niaraka hiampita renirano. Nibolisatra anefa ny iray. Niezaka nanavotra ilay namany fa tsy nahatazona azy. Nisy nahita izany rehetra izany ary afaka nanimpy tady izay nahaavotra ny iray. Natao ny fikarohana ilay rendrika ka ora vitsy tay aorina vao hita ny razana.
nangonin’i r.s.