- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025

Tapatapany

# CUA. Afaka noho ny fisalasalana i Manitra. Ny alatsinainy lasa teo no niakatra fitsaràna ilay raharaha nampifanolana ny Filohan’ny fikambanan’ny mpiasa eo anivon’ny CUA sy ny tompon’andraikitry ny « cellule 3P ». Omaly kosa vao nivoaka ny didy tamin’izay fitsaràna izany. Fantatra ary fa noafahana noho ny fisalasalana sy tsy fahampian’ny vesatra nanenjahana azy i Manitra Andrianarivelo. Tsiahivina fa ny herinandro lasa teo ity filohan’ny fikamban’ny mpiasa ity no nohadihadiana teny anivon’ny mpitandro filaminana sy nohenoin’ny Fampanoavana ary nampidirina am-ponja vonjimaika. Nahazo fahafahana vonjimaika izy taorian’ny fitsaràna azy ary izao noafahana izao.

# Ambohijatovo. Karàna vavy maty voadonan’ny môtô. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny Ambohijatovo, ny talata hariva lasa teo. Teratany karàna vavy iray no maty tsy tra-drano raha nodomin’ny môtô, nidina avy any. Nambaran’ireo nanatri-maso fa olon-droa no nitaingina ity môtô ity, ary handeha hiampita ity teratany vahiny ity. Voa teo amin’ny lohany ity voadona ity, naratra mafy kosa ilay lehilahy nitondra ilay môtô ary safotra tsy nahatsiaro tena noho ny dona nahazo azy koa ilay mpitaingina.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser