- Publicité SW45 -
mercredi, mars 19, 2025

Tapatapany

# – Ankizy vavy maty novelesin’ny jiolahy. Ankizy vavy kely vao roa taona monja no maty nokapohin’ny jiolahy rehefa tsy nahita vola tao amin’ny trano iray notafihany izy ireo. Ankoatra izany, nalemin’ny daroka ihany koa ny rain’ity zaza ity. Teny amin’ny faritra Atsimondrano no nisy an’ity habibiana ity. Fantatr’ireo mpangalatra fa vao avy nivarotra omby ny fianakaviana iray. Tonga izy nandroba ny alin’ny alakamisy. Tsy nahita izay vola notadiaviny anefa ry zalahy koa dia ilay tsy manan-tsiny no nanamparany ny habibiany. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa lasa nandeha ireo jiolahy rehefa avy eo. Ilay ankizy vodaroka, nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana, kanefa tsy tana ny ainy.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser