#-Ampasika. Lehilahy hita faty tetsy Ikopa. Lehilahy iray manodidina ny 60 taona tany ho any no hitan’ny fokonolona natsingevan’ny ranon’Ikopa teny Ampasika, alahady alina lasa teo. Niantso ny tompon’andraikitra avy hatrany ireo olona nahitana an’ity razana ity ary tonga avy hatrany teny an-toerana ireo tompon’andraikitra. Tsy nahitana ratra tety ivelany ity razana ity, raha ny fanazavana azo. Azo heverina araka izany ho maty an-drano ity lehilahy ity. Na izany aza anefa, tsy mbola fantatra mazava izay antony nahatonga azy tany anaty rano. Ireo mponina manodidina ihany koa nilaza ho tsy nisy nahafantatra azy. Ireo mpitandro filaminana no nitondra azy teny amin’ny tranom-paty.
Nangonin’i m.L