#- Ankarefo. Kamiô nivarina tanaty hantsaka, olona roa namoy ny ainy. Tsy nilaozana lozam-pifamoivoizana mihitsy izay iny lalam-pirenena faharoa, telo andro nisesesy izay. Kamiô remorque iray indray mantsy no nivarina tany an-kady, teo amin’ny tanàna antsoina hoe Ankarefo (Pk 91), omaly vao maraim-be. Maty tsy tra-drano vokatr’izany ny mpamily sy mpanampy azy tao anatin’ity fiarabe ity. Hatreto aloha dia mbola tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ity loza mahatsiravina ity. Vinavina ihany ny hoe mety ho nilazaon’ny hisatra angamba ka tsy nahatana familiana intsony ary dia io nivarina tany an-kady io. Tonga avy hatrany teny an-toerana nanao fizahana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy.
#-Ampefiloha Ambodirano. Olona maty natelin’ny rano. Mbola tao anatin’iny ora-mikija afak’omaly ihany hatrany. Olona roa no navarin’ny lakana nitondra azy ireo ary maty an-drano teny amin’iny faritra Ampefiloha Ambodirano iny. Araka ny fantatra dia handeha lakana hiampita ireto fianakaviana maromaro. Efa nanonja dia nanonja ihany anefa ny rano tamin’io fotoana io ary efa nisy olona nampitandrina azy ireo mba tsy handehana amin’ilay lakana. Mbola nandeha ihany anefa ireo olona ireo ka io natelin’ny rano io ireo olona roa ireo. Omaly maraina vao hitan’ireo mpamonjy voina ny razana
#-Ambanidia. Lehilahy latsaka tanaty hantsana, maty tsy tra-drano. Lehilahy iray manodidina ny 50 taona any ho any no hitan’ny fokonolona nivalampatra tanaty hantsana, teny amin’iny faritra Ambanidia iny, omaly maraina. Raha ny filazan’ireo mponina teny amin’ny manodidina dia toa hoe somary namofon-toaka ity lehilahy ity. Angamba mety tsy nahita ity hantsana ity izy io, ny andro ihany koa maizina rahateo etsy andanin’izay, ny orana mijojojo izay tsy izy, ka nahatonga azy nianjera ary dia izao niafara tamin’ny fahatesany izao. Nalefa eny amin’ny tranom-paty moa ny razana.
#-Anosibe. Mpivarotra hita faty tanaty tatatra. Lehilahy iray no hitan’ny fokonolona nihohoka tanaty tatatra, omaly maraina tetsy Anosibe. Tsy fantatra mazava izay nahazo ity lehilahy ity fa izy efa tsy nisy aina intsony io hitan’ny mponina teny an-toerana io. Raha ny fantatra dia karazan’ireo mpivarotra mandehandeha irony ity lehilahy ity. Ny omaly marainan’io izy no niala tao an-trano, tsy nody tao an-trano ary dia io vatana mangatsiaka io sisa no hitan’ny fianakaviany. Tsy nahitana ratra na famonoana teny aminy, ankoatra ny tataka kely teo ambony masony. Mbola teny aminy ihany koa ireo vola rehetra, tsy nisy nanombinana.
Nangonin’i m.L