- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024

Tapatapany

# Olona dimy no namoy ny ainy ka naterina tao amin’ny tranom-patin’ny Hjra. Iray tamin’ireo dia maty vokatry ny fibobohana toaka (jereo lahatsoratra etsy ambony). Ny efatra ambiny kosa dia noho ny aretina tsotra, efa narary tao amin’ny hopitaly ihany.

# Trano iray no may tetsy Ankaditoho-Anosizato. Misy rihana telo izy io ka tao amin’ny rihana faharoa no niainga ny afo. Trano fatorian’ny tompon-trano no nirehitra noho ny antony izay tsy voafaritra loatra. May tao ny fandriana, ny lamba, ny akanjo maro isan-karazany. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy.

# Lehilahy iray nisy nively kibay ary naratra mafy, tetsy Ambodivona. Olona teo amin’ny manodidina no nitsetra azy ka niantso ny mpamonjy voina etsy Andravoahangy. Ireo no nitondra avy hatrany azy teny amin’ny toeram-pitsaboana. Tapaka ny tanany havia ary vaky ihany koa ny lohany.

# Saofera mpitondra taxi-brousse mamo nahafaty olona. Teo amin’ny PK 401+105, Antsapanimahazo-Tsiroanomandidy no nitranga ny loza. Mpandeha an-tongotra iray no maty tsy tsa-drano vokatr’izany. Tsy nijanona ilay mpamily fa nitsoaka avy hatrany, nentiny niaraka taminy ireo mpandeha marobe. Rehefa avy kilaometatra vitsivitsy, teo amin’ny PK 402+26 dia tsy voafehiny intsony ny familiana ka nivoaka ny lalana ny fiara ary nivantana tao anaty hatsana. Nivadibadika ny fiara ka mpandeha fito tao anatiny no naratra mafy. Efa voasambotra ilay mpamily nahavanon-doza.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser