Ambohidahy. Lasan’ny mpisam ny telefonina. Tamin’ny fotoana nandehan’ny lehilahy iray tao anaty tonelina Ambohidahy no nisintonan’ny sasany ny telefonina an’ity lehilahy iray. Rehefa tonga teny Ambohijatovo ilay lehilahy dia niverina ary nahita ireo roalahy. Niantso polisy izy avy eo ary voasambotra ireo bandy. Nolazain’izy ireo fa tsy any aminy intsony ilay finday fa efa nomeny olona hafa. Toerana anjakan’ny sinto-mahery ny tonelina Ambohidahy. Tamin’ny fanadihadiana natao an’ireo roalahy tratra, tsy vao izao ry zalahy no nahazo telefonina tao.
r.s.