- Publicité -
lundi, juin 16, 2025

Tapatapany

# Anosibe. Lozam-pifamoivoizana nahafaty olona. Anio no hiakatra eny amin’ny mpitsara mpanao famotorana, ny raharaha iray nahafaty olona tamin’ny lozam-pifamoivoizana niseho teny Anosibe, ny 29 janoary teo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa izao vao feno ny antontan-taratasy rehatra momba ity loza ity, tonga eo am-pelantanan’ny mpanao fanadihadiana mikasika ny lozam-pifamoivoizana.

# Fort-Dauphin. Famonoana ben’ny tanàna teo aloha. Mikasika ilay raharaha famonoana ben’ny tanàna teo aloha, antsoina any an-toerana hoe Dovic, miandry ny hiakaran’ny raharaha eny amin’ny fitsarana ny fianakavian’ireo zandary telo voarohirohy amin’izany. Fantatra moa fa efa any am-ponja izy ireo amin’izao fotoana izao. Ny vaovao nentin’ny fianakaviana no hilazana fa resaka halatra taolam-paty no ao ambadik’ity raharaha ity.

# Mananara-Nord. Tsy mbola milamina ny raharaha. Taorian’ny nahafatesana olona enina tamin’ny fitsaram-bahoaka, tsy mbola milamina tanteraka ny fandehan-javatra any Mananara Avaratra amin’izao fotoana izao. Fantatra araka izany fa misy mpitandro filaminana nalefa any an-toerana, omaly hisorohana izay mety mbola ho fihoaram-pefy. Ity raharaha ity dia fantatra fa mahakasika ny resaka halatra jirofo.

nangonin’i r.s.

#  Ivato : Zandary maty voafaokan’ny fiara. Nodimandry voafaokan’ny fiara ny zandary iray mpiana-draharaha eo anivon’ny CSI Ivato. Nandeha môtô izy no nodomin’ny taxi-be teny Imerinafovoany. Mafy loatra ny fifandonana ka nitarika ny fahafatesany. Notazonina avy hatrany tao amin’ny biraon’ny zandary ilay mpamily taxi-be ary nosokafana ihany koa ny fanadihadiana azy.

# Sucoma : Fiaran’ny miaramila mpitatitra entana halatra. Teo am-pampiakarana ireo entana halatra an’ny orinasa Sucoma, no saron’ny zandary ny olona fito. Fiaran’ny miaramila 3/3M5 no nikasana hitaterana ireo entana. Nosamborina avy hatrany izy ireo ary notazonina ao amin’ny zandarin’i Morondava. Nokasaina halefa any Antsirabe, raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana ireo entana toa ny zezika sns.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser